Ny minisiteran’ny Toe-karena no niahy izany, izay niaraka tamin’ny minisiteran’ny Jono sy ny harena anaty ranomasina. Faritany telo eto Madagasikara no nanaovana izao atrikasa izao, dia ny tany Mahajanga, Antsiranana, ary izao tonga eto Toliara izao. Isan’ny novoizina tamin’izany ny fakàna ny hevitr’ireo olona ifotony, izay mampiasa sy mivelona amin’ny ranomasina, ka hisy ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny fampiasana ny ranomasina.
Natao ihany koa izao atrikasa izao mba hitondrana ny hetahetan’i Madagasikara amin’ilay fivoriana an-tampony izay atao any New York amin’ny 5 -9 ny volana jona ho avy izao.
Eo ihany koa no hahafantaran’izao tontolo izao ny momba ny ranomasin’i Madagasikara, sy ny fandraisana andraikitra tokony hatao. Inoana ihany koa fa hitondra voka-tsoa ho an’ny firenena malagasy izany satria hisy ny fahatongavan’ireo mpamatsy vola, ka hampiasa ny volany eto amintsika araka nambaran’ireo tompon’ andraikitra. Ka nandritra ny fakan-kevitry ireo mpampiasa sy mivelona amin’ny ranomasina no tena hahafantarana izany.
Bems