Webradio

FARITRA BETSIBOKA : Nitsangana ny fikambanan’ ny mpiasa amin’ny Fanjakana

Nanangana fikambanana ivondronan’ny mpiasa amin’ny fanjakana ireo mpiasa ao Betsiboka. 16 mai 2017

Natao izany mba hampiray saina ny mpiasa rehetra. Voafidy ho filohan’io fikambanana io Razafintsoa Finaritra, talem-paritry ny Fambolena sy fiompiana.

Tsy ny mpiasam-panjakana no resahina eto fa ny olona rehetra miasa eo anivon’ny Fanjakana hatrany amin’ny Sefo sekitera sy ny Sefo Fokontany ary ny mpiasan’ny Kaominina... Isaky ny alatsinainy no fihaonana sy fampitam-baovao aorian’ny fananganan-tsaina iraisana, izay atao eny amin’ny faritra.

Ary isaky ny zoma faran’ny volana kosa no anatanterahan’ny rehetra ny hazakazaky ny firaisan-kina, izay tarihin’ny Prefet sy ny Lehiben’ny Faritra ao an-toerana.

Zava-baovao amin’ny rehetra io hetsika fampiraisana io, ka samy liana avokoa ny rehetra, tsy fantatra izay mety ho fitohizany fa ny marainan’ny alatsinainy 15 mey teo no nanombohana izany.

Fety

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés