Avy hatrany dia nitsidika tamin’ny fomba fanajana ny Ben’ny tanàna, Elisée Ratsiraka ireto manamboninahitra sinoa ireto, tao amin’ny biraon’ny fiasany.
Nitarika ireo vahiny ny Lehiben’ny Masoivoho sinoa, miasa sy monina eto Madagasikara. Fitsidihana izay notarihin’ny ambasadaorin’ny firenena sinoa monina eto Madagasikara. Noararaotin’ny Ben’ny tanàna tamin’io fihaonana io ny fanambaràna mahakasika ireo tetikasany ny amin’ny fanamboarana ny kianja marolafy na “terrain Omni-sport” handraisana ny taranja maromaro, izay kendrena hapetraka isaky ny boriborintany dimy eto Toamasina sy ny toerana fidiovana sy fivoahana ary fanasana lamba, ka toerana somary misintaka kely ny tanàna no hahazo tombony amin’izao tetikasa izao, toy ny eny Tsarakofafa.
Nomarihiny ihany koa fa efa madiva ho vita ny asa fanadiovana ny tanàna na ny “assainissement” ka hiroso amin’ny fanatanterahana ireo fanamby napetraka tamin’ny vahoaka nandritra ny fampielezan-kevitra. Manomboka eto, nanome toky ny Ben’ny tanàna, Elisée Ratsiraka fa hanakaiky hatrany ny vahoaka ny tenany. Rahampitso talata 16 mey izao no hanainga hiala eto Toamasina ny sambo mitondra ireto delegasiona sinoa ireto.
Ravo