Webradio

FAMPIANARANA : Hijanona ho tokana ny sokajy haisoratra mandritra ny bakalorea

Amin’ny fanadinana bakalorea amin’ny taona 2018 dia hijanona ho tokana ny sokajy haisoratra fa tsy hisy intsony ny safidy roa “A1” sy “A2” ho an’ireo mpiadina, izay misy hiavahany eo amin’ny salan’isa ho an’ny taranja siantifika sy ny taranja haisoratra, frantsay sy anglisy. 17 mai 2017

Fantatra fa tsy hanana an’io safidy roa io intsony ireo mpanala fanadinana bakalorea ho amin’ny taom-pianarana 2017-2018 fa hijanona tokana amin’izay, araka ny fanazavana azo avy amin’ny minisitera tompon’andraikitra. 

Hita amin’izao fa saika mirona mankany amin’ny taranja haisoratra avokoa ny ankamaroan’ny mpianatra ary mbola ambany dia ambany ny tahan’ireo ankizy miditra amin’ny sokajy siantifika raha oharina amin’ny sokajy haisoratra. Amin’izao fotoana izao efa misy ny ezaka maro ataon’ny minisitera ary eo ihany koa ny fisian’ireo fikambanana maro isan-karazany manosika ny ankizy ho tia ny taranja siantifika ary mamolavola azy ireo hatrany am-boalohany ho lasa siantifika.


Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés