Webradio

ADIN’NY MPIRAFIVAVY : Ramatoa maty vokatry ny ratra goavana sy ny fahaverezan-drà be loatra

Raikitra ny ady. Roa vavy izay voalaza ho mpirafy no nifamono. Ilay tompom- bady no nahavoa betsaka sy mafy, ka niafara tamin’ny fahafatesan’ny iray ny ratra goavana sy ny fahaverezan-drà be loatra nahazo azy. 18 mai 2017

Ny alahady hariva tokony ho tamin’ny 7 ora no nisehoan’ity trangan-javatra ity tany Kianjavato ao anatin’ny Distrikan’i Mananjary.

Nahare tamin’ny manodidina ny renim-pianakaviana iray tokony ho 37 taona fa miaraka amina vehivavy hafa ny vadiny any an-tranon’ity farany mihitsy no mandry rangahy.

Tsy niandry ela fa raha vao nahare ny zava-misy ilay ramatoa tompom-bady, teo noho eo ihany dia naka ny vaovao rehetra noentina nikarohana ny toerana misy ny
tranon’ity rafivaviny ary hitany ihany no niafarany. Tonga dia niditra tsy nampiomana ilay vehivavy fariny izy ary ambodiomby mihitsy no voalaza fa nahatratrarany am-badiny niaraka tamin’ilay vehivavy.

Vokatr’izany, raikitra ny ady ka samy nanao izay ho afany tamin’ny vono sy daroka ny roa tonta, ankilany voalaza fa niezaka nanasaraka azy ireo ihany ilay rangahy kanefa niala maina. Hazo hidin-trano nipetraka teo anjoron-trano no voarain’ilay tompom-bady, ka io indray no namelezany ny lohan’ilay rafivaviny. Goavana ny ratra nahazo ity farany, nandriaka ny rà. Tsy nahatsiaro tena no niafaran’ity vehivavy voalaaza fa nangalatra vady. Natao ny ala nenina rehetra nitondrana azy teny amin’ny toeram-pitsaboana kanefa efa tsy tana intsony ny ainy.

Niditra an-tsehatra ny zandary rehefa nametraka fitoriana ny havan’ny maty. Natao ny fisamborana, samy niara-voasambotra na ilay ramatoa namono na ilay lehilahy nahatonga ny ady.

Taorian’ny fakàna am-bavany natao dia nalefa any Mananjary izy mivady ireto mba hisorohana ny mety hisian’ny fitsaram-bahoaka sy ny korontana ao an-tanàna.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés