Webradio

AMBATO BOENY : Mirohotra manapaka ny zanany ny ray aman-dreny fa matahotra ilay biby mamora zaza

Miely ny tsaho any Ambatoboeny fa misy biby manapaka filahian-jaza mbola tsy voafora amin’izao fotoana izao, ka maty ilay zaza avy eo.  18 mai 2017

Mirohotra manatona dokotera hanapaka ny zanany avokoa ireo ray aman-dreny manana zanaka mbola tsy vita hasoavana ankehitriny. Zaza miisa 250 isan’andro eo no foraina amin’ny Kaominina miisa 12 anatin’ny Distrikan’Ambatoboeny. Mitentina 15 000 Ariary ny mamora zaza iray.

Hatreto aloha dia tsy fantatra ny niavian’io tsaho io ary mbola tsy nisy zaza hita fa notapahin’ny biby ny filahiany. Mbola tsy nisy ihany koa sahy nijoro ho vavolombelona fa efa nahita izany hatreto. Tsy ao Ambatoboeny ihany no miely ity tsaho ity fa any amin’ny Faritra Anosy ihany koa. 

Tsy fantatra hatreto na tena misy marina na tsaho aely ahatongavana amin’ny tanjona iray na entina hanakorontanana saim-bahoaka fotsiny, fa tato ho ato izay dia betsaka ny tsaho isan-karazany miely. Soa ihany fa efa miditra amin’ny vanim-potoana ririnina izao ka efa fotoana fanaovana ny fora zaza ihany koa. Ny hita aloha dia miezaka mitady vola hamorana ny zanany ny ray aman-dreny fa tsy miandry ny forazaza faobe intsony


Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés