Isan’ireo tazana tamin’izany ny lehilahy iray atao hoe Sergio. Ity farany izay jiolahy efa ela nikarohana. Fantatra àry fa saika hanafika mpandraharaha lavanila avy any Sambava mipetraka ao Salazamay Toamasina ireto jiolahy ireto. Tamin’ny alalan’ny mpiambina ny tranon’ilay mpandraharaha, izay miray tendro amin’ireo olon-dratsy no nahalalan’ireo jiolahy fa misy volabe 120 tapitrisa Ariary ao an-tranon’ilay mpandraharaha lavanila. Io volabe io araka izany no nokasain’ireo jiolahy horobaina.
Nisy noho izany ny fandraisana andraikitra nataon’ny Kaomanda Fip Toamasina, ny Kaomisera Rafaliarovo Jules.
Voasambotra teny akaikin’ny lisea Jacques Rabemananjara i Sergio. Ity farany indray avy eo no nanondro ireo namany. Ny marainan’ny alahady 21 mey, voasambotra tao Ambalamanasy i Randra izay naman’i Sergio. Niaiky izy roa lahy ireo fa nanomana fanafihana hakana ilay volabe 120 tapitrisa Ariary tokoa. Mbola misy naman’izy ireo antsoina hoe Mario karohina.
Karohina ihany koa ilay mpiambina ny tranon’ilay mpandraharaha izay mpiray tendro amin’ireo olon-dratsy. Tsy tanteraka noho izany ilay fanafihana nomanina.
Kamy