Isan’ny ho tafiditra ao anatin’ireo fotodrafitrasa hasiam-panamboarana ny tsena raha ny fantatra. Eo ihany koa ny hijerevana manokana ireo toeram-panasana lamba ho an’ireo olona izay mikarama amin’izany. Ankoatra ireo dia efa mandeha ny fananganana ireo toeram-piantsonan’ny Bus amin’izao fotoana izao.
Natao manokana mihitsy izy io mba hitsinjovana ireo olona miandry azy ireny indrindra rehefa avy orana na main’andro. Hapetraka ihany koa ireo marim-pamantarana rehetra eny amin’ny lalana eto an-tampon-tanànan’ Ambatondrazaka mba hisorohana ny lozam-pifamoivoizana ary mbola entanina manokana ihany koa ireo mpamily rehetra na fiara na moto na kubota mba hanaraka ireny mari-pamantarana ireny.
Mahakasika ny fanadiovana ny tanàna indray kosa dia efa misy ny ezaka amin’izao fotoana izao mahakasika ny fanesorana ny fako eny amin’ireo tobin-jaoridira. Marina fa misy ireo toerana no mbola tsy afaka saingy efa ao anatin’ny dingana ataon’ny Kaominina io asa io, hoy ny Ben’ny tanàna Rafidimanana Louis Felicité.
Hampitomboana hatrany ny hazavana mba hitsinjovana ny fametrahana ny fandriam-pahalemana, hoy ity tompon’andraikitra voalohany amin’ny fitantanana ny Kaominina Ambatondrazaka renivohitra ity.
Na izany aza dia nambarany fa ankoatra ireo voalaza rehetra ireo dia efa betsaka ny fanatsarana sy ny fananganana fotodrafitrasa nataon’ny Kaominina Ambatondrazaka renivohitra, indrindra nanomboka tamin’ny fiandohan’ny taona.
Hariliva R.