Webradio

FAMOKARANA SIRAMAMY : Voasonia ny fifanarahana vaovao ho an’ny taom-panapahana fary 2017

Andrasana hilamina sy tsy hiteraka fatiantoka ho an’ireo mpamboly fary madinika ny taom-panapahana fary amin’ity taona ity. 23 mai 2017

Vita sonia taorian’ny atrikasa telo andro notanterahina tao amin’ny Restaurant Diana eto Ambilobe nifarana, ny sabotsy teo ny fifanarahan’ireo mpisehatra manatanteraka hampizotra tsara ny taom-panapahana fary.

Ny minisitera misahana ny indostria, ny varotra, ny fambolena, ny lehiben’ny Distrika Ambilobe, ny filohan’ny federasionan’ny mpamboly fary eto Ambilobe, ny tale jeneralin’ny orinasa Sucrerie de Complant de Madagascar Ambilobe, ny Komity Nasionaly misahana ny Fary sy ny Siramamy Cmcs ary ireo mpitatitra no niara-nanao sonia ny fifanarahana. 



245kg ny fary esorina 

Misongadina ao amin’ilay fifanarahana misy andininy faha-25 ary heverina hahavaha ny olana mampitaraina matetika ireo mpamboly fary madinika ny momba ny tahan’ny fary esorina tsy raisin’ny orinasa. Noferana ho 3% na 245 kg isaky ny fary 8 t izany. Afaka mangataka fitiliana ny hamamin’ny fary ny Sucoma raha mahita fa be ratsy ny fary ampidirin’ny tantsaha. Na koa manao fifarahana am-piralahiana amoahana tolo-bidy amin’ny fitaterana ny fary, ka ireo manaiky ny fampisehoana antso fahalinana na "manifestation d’intérêt" no hahazo ny tsena. Ho voafetra ny saran’ny fitaterana, ka tsy hanararaotra ireo mpitatitra.

Hapetraka manerana ireo sektera dimy misy eto Ambilobe ny "cellule" ahitana ny mpamboly fary madinika, ny Cmcs sy ny mpitatitra handrindra ny fanapahana sy ny fampidirana fary. Hofaritana mialoha noho ny mahazatra kosa, telo volana aorian’ny fanombohan’ny fanapahana fary ny vidim-pary, izay hofaritan’ny "commission paritaire". Nampanantena ireo solotenam-panjakana mandrafitra io kaomisiona io fa hijery ny fomba hampiakarana ny vidim-pary. Tsy mety mahafa-po ireo mpamboly fary eto Ambilobe ny vidim-pary. 170 000 Ariary isaky ny taonina ny vidim-pary amin’izao fotoana. 

Miankina amin’ny fandaniana ataon’ireo orinasa sinoa mpanodina sy mpanondrana ny siramamy ny vidim-pary, ny tahan’ny ariary eo amin’ny fifanankalozana iraisam-pirenena ny vidim-pary. Ho an’ireo mpamboly fary madinika dia tokony hitovy amin’ny siramamy iray gony ny taonina iray amin’ny fary. "Zava-dehibe ny nahazoana izao fifanarahana izao mialoha ny fanombohan’ny fanapahana fary. Miantoka ny fidiram-bolan’ireo tantsaha an’arivony eto Ambilobe ny voly fary. Miantoka ny toekarena rezionaly izany amin’ny sehatra nasionaly. Ny fifampiresahana ihany no mety handaminan-javatra fa tsy ny fanimban-javatra", hoy ny minisitry ny Indostria Chabani Nourdine namarana ny atrikasa, ny sabotsy teo. 


Nitsidika tampoka ny Sucoma ireo manam-pahefana

Nambarany fa orinasa lehibe sy matanjaka ny Sucoma  Ambilobe, mahavita mamokatra siramamy 65000 t isan-taona. Mbola manampy izany ireo vokatra hafa azo avy amin’ny fary toy ny toaka. Nanindry ny tokony hanaovan’ireo teratany sinoa mitantana ny orinasa fanadiovana ny toeram-piasana sy hanatsarana kokoa ireo masinina ampiasainy ny minisitra. 

Nitsidika tampoka ny orinasa ny minisitra sy ny Lehiben’ny Faritra Diana, Tongazara Edie ary ny Solombavambahoaka sy ny Lehiben’ny Distrika ny sabotsy teo.  "Zava-dehibe ny fanaovana ho fitaratra an’Ambilobe amin’ny voly fary. Hiezaka ireo manampahefana hanara-maso ny fampiharana ny fifanarahana vaovao", toy kosa ny Lehiben’ny Faritra.


Anthonia

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés