Raha tsiahivina, dia zazavavy 14 taona no maty namoy ny ainy tao anatin’ilay hain-trano. Ny reniny izay nandeha niantsena tamin’io fotoana io, ilay zaza kosa tsy salama ka natory tao an-trano tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza.
Fantatra àry fa voasambotry ny fokonolona ny alin’io alahady 11 jona io ihany ilay rangahy nahavanon-doza. Izy izay tsy iza akory fa mpiray lakoro amin’ilay zazavavy namoy ny ainy ihany.Raha ny angom-baovao voaray, dia nisy nahatazana ity rangahy ity, ny antoandron’io alahady io, nikononkonon-javatra teo amin’ilay trano may.Taoriana kelin’ilay hain-trano, dia tsy hita tao an-tanàna izy. Ny alin’io alahady 11 jona io vao nipoitra ary efa nikasa hitaona ireo entana tao an-trano no saron’ny fokonolona.
aika niharan’ny fitsaram-bahoaka
Tezitra mafy taminy ny fokonolona tao an-toerana ka saika nampihatra fitsaram-
bahoaka. Nisy olona tsara sitrapo kosa niantso mpitandro filaminana ka voasoroka izany fitsaram-bahoaka izany. Niaiky rahateo ny tenany fa izy no nandoro ilay trano. Nambarany fa efa novonoiny ilay ankizivavy mialoha ny nandorany azy tao anatin’ilay trano.Ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana azy no nahafantarana fa fialonana no ity olona ity namono ilay ankizivavy sy nandoro ny trano.
Nambarany fa « tsy ampandoavin’ny tompon-tranon’izy ireo hofan-trano ny renin’ilay ankizivavy nefa izy mba nangataka ny mba tsy hakana hofan-trano saingy tsy nanaiky ny tompon-trano ». Izany no nitarika azy nanao izao fihetsika feno habibiana izao. Nidoboka vonjimaika eny Ambalatavoahangy izy miandry ny fitsarana.
Kamy