Webradio

MIDONGY ATSIMO : Nataon’ny dahalo hazalambo ny Kalony sy ny Zandary tao an-tanàna

Mihamahery vaika hatrany ny asan-dahalo mitranga any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy iny. 16 juin 2017

Nangarom-biby an-davaka ary efa tsy misy tahotra intsony ireo olon-dratsy, tany amin’ny Distrikan’i Midongy Atsimo, ka ireo vatan-dehilahy mpiandry tanàna na Kalony sy ny mpitandro filaminana mihitsy no nihantsian’izy ireo.

Nirefodrefotra ny basy teo an-tampon-tanàna. Andian-dahalo 40 lahy no indray nanafika tao an-toerana ny fiandohan’ny herinandro lasa teo iny. Vantany vao nigadona teo an-tanàna ry zalahy avy hatrany dia ireo mpikambana ao anatin’ny Kalony sy ny Zandary no notadiavin’izy ireo. Tsy niraviravy tanana ihany koa anefa ireto farany fa tonga dia nanohitra. Raikitra ny fifampitifirana, izay naharitra teo amin’ny 30 minitra teo ho eo. Nilavo lefona ihany anefa ny niafaran’ireo mpanafika rehefa hitan’izy ireo fa nihamaro sy tsy ho resy tosika ireo nifanandrina taminy. Vaky nandositra ireo dahalo.

Araka ny loharanom-baovao voaray, dia nikasa hanafika toeram-pivarotana lehibe miisa roa tao an-tanàna ireto andian-dahalo ireto tamin’io fotoana io saingy tsy tanteraka izany noho ny fifanomezan-tanana teo amin’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana.
Taorian’io fanafihana io niroso avy hatrany tamin’ny fikaroham-bahaolana hiadiana amin’ny tsy fandriampahalemana ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny Distrika.

Nisy ny fivoriana natao ka tapaka tao anatin’izay fa tsy azo atao intsony aloha hatreto ny mivezivezy aorian’ny ny amin’ny 9 ora alina, tsy azo atao ihany koa ny manapoaka tsipoapoaka amin’izao an-katoky ny fetin’ny Fahaleovantena izao. Voafetra, araka izany, ihany koa ny ora ahafahan’ireo toeram-pivarotana zava-pisotro misy alikaola misokatra. Hatreto mbola mitohy ny ezaka ataon’ireo mpitandro filaminana amin’ny fikarohana ireo olon-dratsy.

Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés