Webradio

CISCO MAHAJANGA : Mety hivoaka tsy ho ela ny voka-panadinana Cepe raha ny tatitra azo

Tsy niandry ela intsony ireo mpampianatra fa avy hatrany dia nitsara ireo laza adina CEPE taorian’ny fahavitan’ny fanadinana, ny talata 20 jona teo. 22 juin 2017

Efa tonga ao avokoa ny taratasim-panadinana ireo kandidà avy amin’ny ivon-toeram-
panadinana efatra misy ao Mahajanga ary ny alarobia maraina dia efa nisoro tamin’ny fitsarana ny fanadinana ireo mpampianatra.

Vinavinaina hivoaka amin’ny faran’ny herinandro izao ny voka-panadinana ho an’ny Cisco Mahajanga, raha ny tatitra azo. “Logiciel” vaovao no ampiasaina amin’ny hitsarana ireo vokatra mba hahafahana mamoaka haingana ara-potoana ny voka-panadinana.

Ao amin’ny lisea Philbert Tsiranana no hanatanterahana ny fitsarana ny fanadinana CEPE ho an’ny ao Mahajanga.

Mpampianatra 60 mahery eo no fantatra fa hiaraka hifandrimbona hitsara izany. Hivoaka amin’ireo sekolim-panjakana rehetra eto Mahajanga ny valim-panadinana.

Tolin

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés