Webradio

ORINASA SUCOMA AO AMBILOBE : Mitaraina amin’ny fahalotoan’ ny rano ireo mpanjono

Misy akony amin’ny fidiram-bolan’ireo mpanjono ny rano maloto avoakan’ny orinasa Sucoma ao Ambilobe. 30 juin 2017

Efa ho iray volana izao no mihodina ny orinasa hatramin’ny fanombohan’ny taom-panapahana fary.

Miondrana an-dranomasina ny rano maloto misy akora simika ka mamono ireo hazandranomasina amin’ny manodidina. Miankina amin’izany anefa ny fitadiavam-bola sy ny fiveloman’ireo mpanjono. Efa isan-taona no misy trondro maty mitsingevana amin’ny ranomasina manodidina ny Sucoma.

Efa nanaitra ireo manampahefana amin’izany ny fikambanana ho an’ny mpanjono
sy ny mpiaro ny tontolo iainana fa tsy mbola nisy ny fandraisana fepetra momba izany. Vantany vao nanomboka nihodina ny orinasa no efa nanaitra mialoha ny avy amin’ny Faritra Diana sy ny ministera misahana ny jono ireo fikambanana mpanjono sy mpiaro ny tontolo iainana saingy tsy nisy nihaino hatreto.

Tamin’ity taona ity dia voalaza fa betsaka ny fanapoizinana ny hazandrano vokatry ny rano misy akora simika avoakan’ny orinasa. Maloto koa ny rano fampiasan’ireo mponina andavanandro na dia tsy sotroina aza. Manamafy izany ireo fiarahamonim-pirenena nidina nijery ifotony izany andro vitsivitsy izany, tao amin’ny fari-dranomasina manodidina ny Sucoma ity.

Mitaraina sy mahatsiaro tsy misy mpijery, araka izany, ireo mpanjono voakasika amin’ity loto avoakan’io orinasa io. Mahagaga ny tsy hasahian’ireo tompon’andraikitra maka fepetra mifanaraka amin’izany. Efa an-taonany vitsivitsy anefa ireo mpanjono sy ny mpiaro ny tontolo iainana no mitaraina. Raha ny tokony ho izy, araka ny lalàna, misy ny fanadiovana ny rano avoakan’ny orinasa lehibe toy izao mialoha ny hiondranany amina lakandrano na ranomasina toy izao.

Mety ny fitaovana hanaovana izany no tsy ananan’ireo avy amin’ny Sucoma na koa tsy nandalo fanadiovana ireo rano maloto avy nampiasaina tao amin’ny ozinina.

Anthonia

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés