Webradio

ANTSIRANANA : Tsy mbola nahitana a ny vidim-bary eny amin’ny bazary amin’izao fotoana izao

Mbola tsy nahitagna fidinana ny vidim-bary aty Antsiranana amin’izioty, na dia efa tafiditra tanteraka amin’ny fotoagna ny maintany. Ahiagna, araka izegny, ny mety hidangan’ny vidim-bary mandritra ny asara. 30 juin 2017

Na dia eo aza ny fisian’ny vary nafarana Boom iregny dia tsy namaha ny fiakaram-bidim-bary.

Mahatratra 700 hatramin’ny 800 Ariary ny kapoaka ny vary gasy iregny aty an-toeragna amin’izioty, raha amidy 600 Ariary iregny vary nafarana avy any ivelany iregny, izay 95000Ariary ny lasaka 50kg.

Miaigny agnatin’ny fahasahiragnana ny vahoaka amin’ny fidangan’ny vidim-bary ankehitriny. Efa tsy lazaina ihany koa ny fiakarana misy amin’ireo zavatra ilaina andavanandra. Tsikaritra ihany koa fa nahitagna fiakaragna ny vidin’ny laoko, akoho, talohan’ny fety igny ary nitohy hatramin’izao fotoana izao.

Tavela resabe aty an-toeragna fa tsy mbola nahitan’ny Fanjakana vahaolagna ny fiakaram-bidim-bary izay foto-tsakafon’ny Malagasy ity. Mahita ny vahoaka fa karaha adignan’ireo Mpitondra ny mahakasika ny fiainam-bahoaka izay tegna mampikaikaiky ny maro ankehitriny.


Mpanjono

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés