Webradio

FANJIFANA : Mety hiakatra 7,5 % ny vidin-jiro sy rano vokarin’ny JIRAMA manomboka ny 1 jolay

Hiampy indray ny fahasahiranan’ny vahoaka madinika satria dia milaza hampiakatra ny vidin-jiro sy rano vokariny ny orinasam-panjakana Jirama. 30 juin 2017

Amin’ny fiandohan’ny volana jolay izao, izany hoe rahampitso, no voalaza fa hiakarany raha araka ny fanitsiana vaovao notapahin’ny komity mpitantana sy ny Mpitondra fanjakana.

Ireo manao asa fivelomana mila herinaratra sy ireo mpandraharaha madinika sy salatsalany no tena hibaby ny vokatr’ity fiakaran’ny herinaratra ity. Izy ireo anefa dia azo lazaina fa anisan’ny mamelona ankohonana maro ary etsy an-kilany dia maro ireo misehatra amin’ny asa tena amin’izao fotoana izao ka tsy afaka hiala amin’ny Jirama izy ireo.

Na dia mbola tsy ofisialy aza io fiakaran’ny vidin’ny herinaratra io dia tsy azon’ny Mpitondra ihodivirana satria efa nisy ny fanambaràna nataon’ny Talen’ny Jirama vaovao, Jaomiary Olivier raha nanomboka nandray ny asany izy ny 3 mey lasa teo. Nambarany tamin’izay fotoana izay fa tsy maintsy hisy io fanamboarana ny vidin-jiro sy rano io mba hahafahana manarina ny orinasa noho ny fatiatonka miavosa. 

Nambarany ihany koa fa amidy fatiantoka amin’ny mpanjifa ny iray KW amin’ny herinaratra noho ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Tamin’ny taona 2016, ohatra, dia manodidina ny 3 000 ariary no tokony hivarotana ny iray Kw ho an’ny mpanjifa saingy latsaky ny 1 000 Ariary no nivarotana izany ka nahatonga ny Jirama mitady fanampiana.

Hatramin’izay dia manodidina ny 340 miliara Ariary ny fanampiana omen’ny Fanjakana ny Jirama mba hahafahana manentsina io fatiantoka io. Tamin’ity taona 2017 ity aza dia efa tafakatra hatrany amin’ny 450 miliara Ariary io fanampiana ara-bola io. Tanjona kosa anefa ny hampihena io fanampiana io ary tsy hisy intsony izany amin’ny taona 2021 raha araka ny fanambaràna nataon’ny mpamatsy vola iraisam-pirenena.

Etsy an-kilany anefa dia efa manomboka hampiasaina amin’ireo milina vaovao etsy Mandroseza ilay menaka mavesatra vokarina any Tsimororo. Nanambara ny Jirama fa tsy hisy intsony ny fahatapahan-jiro ho an’Antananarivo manomboka izao saingy ny vidin’ny herinaratra izao mety hisondrotra izao. Tsy maintsy hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny seha-pihariana sy ny sosialim-bahoaka anefa izany.

Tiaray R

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés