Nanome toky koa ireo mpikambana ao fa hanome trano fivoahana manara-penitra maromaro ny mponina ao rehefa vita ny fanorenan’izy ireo ny tranony mba ho ara-pahasalamana ny fonenany ary tsy hiparitaka ny maloto. Efa fantatry isam-pokontany amin’ny asa soa ataony ny fikambanana AZOI tarihin’i Aziz Asgaraly.
Zaza miisa 100 sy beantitra miisa 50 no omen’izy ireo sakafo masaka isan-kerinandro. Mifandimby ireo Fokontany amin’izany ka efa nandalovana faninefany avokoa ireo Fokontany miisa 26 eto Mahajanga. Isaky ny manao asa soa ity fikambanana ity dia miantso manampahefana eto an-toerana sy fikambanana hafa hiaraka amin’izy ireo manolotra izany.
Anisan’ny efa nanotrona azy ireo ny ao amin’ny prefektiora, ny biraom-paritry ny Mponina, ireo fikambanan’ny vadin’ny Polisy sy ny maro hafa…Efa nanatrika ny asa fanaon’izy ireo ihany koa ny ao amin’ny mpiandraikitra ny mpitsoa-ponenana ao amin’ny Firenena mikambana. Ankoatra ireo asa soa efa fanaony isan-kerinandro dia maro ihany koa ny Fokontany nahazo fitaovana. Ny ao Manjarisoa ohatra dia nahazo labasy lehibe fanao tafo, fitaovana sy kojakoja an-dakozia fampiasa amin’ny fahoriana sy hafaliana. Ny fikambanam-behivavy ao amin’ny Fokontany Abattoir indray dia nahazo masinina fanjairana miisa efatra. Ny Fokontany Tsaramandroso ambany koa dia efa nahazo labasy lehibe.
Vanessa