Tsy misy fitsarana mandeha ao amin’ny Cisco Sambava raha tsy mivoaka ny tambin-karama izay nampijaliana azy ireo nanomboka ny taona 2006. Miisa 130 ireo mpitsara fanadinana ao an-toerana izay nanao sonia io fitokonana io.
Araka ny vaovao voaray dia vola mitentina 40 tapitrisa ariary io tambin-karama takian’ireo mpampianatra ao amin’ny distrikan’i Sambava io. « Maheno izahay amin’izao fa 16 tapitrisa ariary ihany no homena ka tsy manaiky izahay raha tsy feno ilay takiana io izany », hoy ireo mpampianatra.
Eo anatrehan’izany dia nampiaka-peo izy ireo fa tsy hanomboka ny fitsarana ny taratasim-panadinana. Ny alakamisy hariva teo anefa no tokony hanombohan’izany. Nilaza hiverina any amin’ny tany fiaviany avokoa izy ireo aloha mandra-pisian’ny vahaolana manoloana io fitakiana io. Andrasana noho izany ny fandraisan’ny fanjakana andraikitra manoloana izao fampiakara-peo ataon’ireto mpampianatra ao Sambava ireto izao.
Toy ny tsy mahataitra ny tompon’andraikitry ny fampianarana any an-toerana anefa izao fitokonana ataon’ireto mpampianatra 130 nanao sonia ireo izao, satria nanao antso avo amin’ireo mpampianatra miankina na tsy miankina ao amin’ny Faritra Sava vonona hitsara ireo taratasim-panadinana Bepc ny lehiben’ny Cisco ao an-toerana, omaly maraina. Nampanantena ihany koa ity lehiben’ny fampianarana ao Sambava ity fa tsy ela dia ho azon’ireo vakatera ny vola takian’ izy ireo, raha ny vaovao voaray avy any an-toerana ihany.
Pounie