Niara-nahita fa nitotongana ny taha-pahafahana fanadinana teo amin’ireo mpiadina ary saika nahita io fihemorana io avokoa teo anivon’ireo fari-piadiadiam-pampianarana manerana ny Nosy. Anisany tsy nahomby nandritra iny fanadinana iny ihany koa ilay zandriny indrindra, 11 taona sy ilay raim-pianakaviana 61 taona zokiny indrindra tamin’ireo mpanala fanadinana. Ity farany dia nilaza fa “tsy kivy fa mbola hanohy hianatra hatrany raha mbola manana ny fahafahana”.
Na ny fanadinam-panjakana voalohany CEPE na ny BEPC farany teo dia samy ratsy avokoa ny voka-panadinana. Fantatra fa noho ny fanatsarana ny kalitaon’ny laza adina no anisany nahatonga izany. Ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Rabary Paul dia nanazava fa tsy ny tahan’ireo afa-panadinana akory no handrefesana ny fandrosoan’ny fampianarana eto amintsika fany fari-pahalalalan’ireo mpianatra. Andrasana araka izany izay mety ho vokatry ny valim-panadinana bakalorea fanadinam-panjakana farany amin’ity taona ity.
Avotra Isaorana