Webradio

TSY FANDRIAM-PAHALEMANA : Naparitaka ho azo antsoin’ny Faritra rehetra ny laharana maitso 117

Amin’izao fotoana izao dia fantatra fa anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana avokoa ny faritra manerana ny Nosy. 14 juillet 2017

Isan’izany ny fahasahian’ireo olona manatanteraka fitsaram-bahoaka noho ny tsy fahatokisana ny Fitsarana intsony. Ireo no matetika loharanom-baovao voaray isan’andro, ka manoloana izay dia tapa-kevitra ny eo anivon’ny tompon’andraikitry ny fitandroana ny filaminana nandritra ny fivoriana natao, omaly tetsy Ankorondrano, fa “afaka miantso ny laharana 117 ny vahoaka manerana an’i Madagasikara manomboka izao”.

Ho fisorohana ny asan-dahalo sy ny vaky trano tsy misy fiafarana no antony nanaovana izany ka mba ho moramora ny fiaraha-miasan’ireo Zandary eto an-drenivohitra sy ny any amin’ny faritra. Misy araka izany ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny orinasa Orange sy ny minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, omaly, ka hametrahana finday miisa 120 sy carte SIM misa 120 isaky ny Kaomisaria isaky ny Distrika sy ireo toerana tena matetika voatafiky ny jiolahy.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés