Noho ny tsy fahatongavan’ireo sambo lehibe mpamatsy ireo tobin-dasantsy ao an-toerana vokatry ny faharatsian’ny toetr’andro no fantatra fa anton’izany. Nanomboka afak’omaly dia efa mihamiverina tsikelikely ny famatsiana solika any an-toerana ary saika filaharam-be no hita amin’ny tobin-dasantsy misy ao Sainte-Marie.
Nandritra ny andro maromaro tsy nisian’ny famatsiana dia voalaza fa tena nanjaka ny varo-maizina amin’ny lasantsy satria nahatratra hatrany amin’ny 6000 Ariary ka hatramin’ny 8000 Ariary ny vidin’ny iray litatra.
Nambaran’ny loharanom-baovao avy any an-toerana fa fanararaotan’ireo mpanao bizina ny andro maha krizy ny lasantsy toa ireny hamoahan’izy ireo ny tahiry any aminy ka hakana tombony mihoa-pampana amin’ireo mpividy.
Niteraka fahasahiranana tsy hita pesipesenina teo amin’ny fiainana andavanandron’ny mponina ny fikatsoan’ny famatsiana lasantsy satria nidangana ho 5000 Ariary isan’olona ny saran-dalana amin’ny bajaj ho an’ny ampahan-dalana 17 km, manginy fotsiny ny fiatoan’ireo orinasa masinina mila solika vao afaka miodina.
Avotra Isaorana