Betsaka ny ady tany eto Mahajanga ary antontan-taratasy maro no efa eny amin’ny Fitsarana. Tokony hiainga eny ifotony ny famantarana ny tany, hoy Gabin Eugène filohan’ny tambajotra miaro ny zon’ny mpanjifa eto Mahajanga. Ny Fokontany no tokony hahalala ny olona mipetraka ao aminy sy ny tompon’ ny tany, ary tokony miainga any ny an-tanantohatra amin’ny fikarakarana sy fikirakirana ny antontan-taratasin-tany. Nanentana ireo sefo Fokontany handray andraikitra izy ary niarahana nametraka ny fenitr’izany andraikitra izany.
« Afaka mamaha olana eny ifotony ny Sefo Fokontany, hoy hatrany izy ireo, saingy ny olana dia betsaka ireo manao rano dikain’ny zinga, ka tsy miraharaha azy ireo. Tokony miainga eny amin’ny Fokontany kosa anefa ny an-tanantohatra amin’ny fikarakarana ny taratasin-tany ary tsy tokony hoekena ny baorina ambony latabatra, hoy hatrany izy ireo ». Anio moa no hisy ny fifanakalozan-kevitra lehibe iantsoana ny vahoakan’i Mahajanga rehetra iarahana amin’ireo tompon’andraikitry ny fananan-tany sy ny ao amin’ny Fitsarana izay iafaran’ny ady tany matetika.
Vanessa