Webradio

NANDRIAKA NY RÀ : Lehilahy iray nandidy ny tendany tamin’ny famaky, maty tsy tra-drano

Nandriaka ny rà tao an-trano. Lehilahy iray vao erotrerony no maty tsy nialana nenina akory, izy ihany no nanapitra ny ainy ary famaky tao an-tranony ihany no nanapahany ny tendany rehefa nihidy irery tao an’efitrano fandriany izy. 24 juillet 2017

Afak’omaly antoandro tokony ho tamin’ny 1 ora no vory nitangorona nanoloana ny tokantrano iray tetsy Analapanga, Kaominina Soavina-Tanjombato ny olona. Tao amin’ity farany no nisehoan’ny loza. Lehilahy iray vao erotrerony no tratran’ny tsy fahasalamana tampoka izay nambaran’ny fianakaviana fa aretina hafahafa tsy toy ny mpahazo ny olon-drehetra.

Nihevitra azy ho sitrana tanteraka ireo olona akaiky azy kanefa noho ny anton’ny tsy fantatra mazava dia namono tena tampoka ilay lehilahy. “Ny herinandro lasa teo izahay nandeha tany Antsirabe namadika ny reniny. Rehefa tafaverina soa aman-tsara teto Antananarivo ny fianakaviana iray manontolo dia nanomboka nahazo aretina hafahafa amin’izay izy.

Midelira, ary milaza fa misy olona maro be manenjika azy, toy io no fisehoan’ilay aretina nahazo azy”, hoy ny fanazavana nomen’ny havany.

Taorian’ny fivoriam-pianakaviana dia nanapa-kevitra ireo havany akaiky fa hitondra azy amina mpitsabo iray eny amin’ny manodidina ihany. Rehefa nahazo ny fizaham-pahasalamana ilay lehilahy dia niverina ho tony amin’izay tao an-trano ary samy nihevitra ny rehetra fa efa salama tsara izy. “ Tsy dia nihetsika firy ilay aretina taorian’io, nanapa-kevitra amin’izay ny fianakaviana fa samy hamonjy ny tokantranony avy rehefa sitrana ilay marary. Izy kosa nihidy irery tany amin’ny efitra farany ambony rehefa samy lasa nody ireo olon-dehibe ao anatin’ny fianakaviana”, hoy hatrany ny fitantaran’ny loharanom-baovao.

Akory anefa ny hatairan’ireo olona iray trano aminy fa faty efa nihoson-drà no hita nivalampatra tao an-trano, famaky fampiasan’ny ao an-trano ihany no nandidiany ny tendany ary nijininika hatrany ivelan’ny varavarankely ny rà. Mialoha ny namonoany ny tenany dia voalaza fa nianika teo am-baravarankely izy ary niantsoantso ny manodidina no sady nandidy ny tendany tamin’ilay famaky, nitsiritika hatreny an-tokotany ny rà ka io nanaitra ireo olona akaiky azy.

Nikoropaka niakatra nijery ny zava-misy izy ireo kanefa efa vatana mangatsiaka sisa no novantanin’izy ireo tao.

Nilaza ny fianakaviany fa tsy mahafantatra sady tsy mahita olana amin’ny antony ho namonoany tena mihitsy satria nambaran’izy ireo fa sady tsy manam-bady no tsy manana olon-tiana ity niharan-doza.

Avotra Isaorana

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés