Webradio

LOZAM-PIFAMOIVOIZANA : Mpandeha telo maty tsy tra-drano navadiky ny fiara

Nisehoana lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona miisa telo indray tany amin’ny lalana mampitohy ny renivohitr’i Toliara sy Ankazoabo, omaly antoandro. 24 juillet 2017

Raha ny loharanom-baovao voaray dia fiara avy any Ankazoabo izy io ka handeha hihazo an’i Toliara no tra-doza.

Fiara mpitatitra ity nivadika ity, raha ny fanazavana hatrany, ka vokatry ny fandehanana mafy ny antony mety ho niavian’ny loza. Marihina fa efa akaiky hiditra ny tanàna izy ireo no izao tratran’ny loza izao, ka notsaboina ao amin’ny Hopitaly be ao Toliara avokoa ireo mpandeha ambiny naratra, izay tsy dia atahorana loatra ny ratra nanjo azy ireo.

Fantatra ihany koa fa mbola eo am-pitsaboana tena ilay mpamily hatreto. Eo am-piandrasana ny fanaovana ny famotorana, araka izany, ny mpitandro filaminana amin’izao fotoana izao.


Tatianà R.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés