Webradio

BAKALOREA FARITANY TOAMASINA : 13 taona ny mpiadina zandriny indrindra raha 57 taona no zokiny indrindra

Manomboka anio alatsinainy 24 jolay ny fanadinana bakalorea manerana ny Nosy. Maharitra herinandro izany ho an’ny kandidà manaraka ny fampianarana amin’ny ankapobeny raha roa herinandro kosa ho an’ny fampianarana teknika. 24 juillet 2017

Ho an’ny faritanin’i Toamasina manokana, dia efa tsara fiomanana tanteraka ireo foibem-panadinana rehetra. Efa tonga 48 ora mialoha ny fanombohan’ny adina any amin’ireo foibem-panadinana ireo laza adina. Tanàna 17 no misy foibem-panadinana. Ho an’ny faritanin’i Toamasina iray manonotlo dia miisa 68 ireo foibem-panadinana. Niakatra ny isan’ny kandidà voasoratra anarana tamin’ity taona 2017 ity raha mitaha tamin’ny taon-dasa.

Miisa 28 553 ireo mpiadina voasoratra anarana hiatrika ny fanadinam-panjakana bakalorea 2017 ho an’ny faritanin’i Toamasina, raha 27 411 izany ny taona 2016. Mitambatra anatin’io isa io ny kandidà rehetra, dia ny kandida amin’ny tekinika sy kandida amin’ny fampianarana ankapobeny. Ny angom-baovao no nahalalana fa 13 taona ny kandida zandriny indrindra amin’ireo mpifaninana ireo, ka ao Toamasina tampon-tanàna no misy azy. Any amin’ny foibem-panadinana Maroantsetra kosa no misy ny kandidà zokiny indrindra, 57 taona. Eo amin’ny hamaroan’ny mpiadina isaky ny foibem-panadinana, dia Toamasina no manana mpiadina maro indrindra 6 962. Eo amin’ny laharana faharoa kosa no misy an’Ambatondrazaka izay ahitana mpiadina voasoratra anarana 3 658.

Ho fanatsarana hatrany ny lentan’ireo mpianatra homena ny diplaoma bakalorea, dia ho hentitra mafy ny fisavana sy fanaraha-maso. Raha tsiahivina, dia 40,35% ny taham-pahafaham-panadinana balalorea tamin’ny taona 2016, raha 25% izany ny taona 2015.

Andrasana araka izany ny ho vokatry ny fanadinana amin’ity taona ity. Araka ny angom-baovao hatrany, ny alatsinainy 31 jolay izao dia efa hanomboka sahady ny fitsarana ireo taratasim-panadinana.

Kamy

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés