Webradio

FENOARIVO ATSINANANA : Miantso an’i Tatandraza hampody ny havany ireo mponin’Ampasimahatera

Taorian’ilay hatezaram-bahoaka, ny 19 jona lasa teo, tao Soanierana-Ivongo izay nandoron’olona ny fiangonana FKM ( Fivavahana Kristianina Miray) izay an’i Tatandraza, dia rifatra nandositra niala an’i Soanierana-Ivongo ity mpitarika fivavahana milaza ho Apostoly ity. 27 juillet 2017

Mbola maro tamin’ireo mpino nanara-dia azy tao Soanierana-Ivongo no nanaraka azy tany amin’izay nalehany. Araka ny antso an-tariby voarainay, ny alarobia lasa teo, avy amin’ny mponina ao amin’ny Fokontany Ampasimahatera Kaominina Vohipeno Distrikan’i Fenoarivo-Atsinanana, dia sahiran-tsaina mafy izy ireo. Tsy tratra antso intsony ny havan’izy ireo 40 trano eo ho eo miandahy miambavy niala tao Ampasimahatera nanara-dia an’i Tatandraza.

Vokatry ny fandresen-dahatra nataon’i Tatandraza izay tonga nitoriteny tany an-toerana, dia nivaro-pananana ireo olona ireo mialoha ny nialana tanàna. Nivarotra tanimbary, sy omby ireo mpanara-dia an’i Tatandraza.

« Tsy fotoana anomezanay tsiny ny havanay intsony izao fa fotoana hikarohanay azy ireo », hoy ireto fianakavian’ireo olona avy ao Ampasimahatera lasa nanara-dia an’i Tatatandraza ireto. Tsy idiranay na hamono tena ianao ry Tatandraza na tsy hamono tena fa ampodio ny havanay raha tsy tianao hiitatra ny raharaha, hoy hatrany izy ireo. Ny fanazavana avy amin’ireto fianakaviana ireto hatrany no nahalalana fa tsy eken’i Tatandraza mampiasa finday intsony ireo olona ireo satria « efa akaiky ny farany, ka tsy ilaina intsony ny fampiasana fitaovan-tserasera », hoy Tatandraza.

Manao antso avo amin’ny Fanjakana ireo fianakavian’olona ao Ampasimahera mba handray andraikitra ahafahana mahita ny toerana nametrahan’i Tatandraza an’ireo olona nanara-dia azy ireo.

Kamy


uYqHfmveSAklyMw
2020-09-28 18:55:24 par cbd oil washington dc

ZKszF2 Yes. It should do the job. If it doesn at send us an email.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés