Moto iray avy any Ivato nikasa handeha hody eny Alarobia Amboniloha no nidona mafy tamin’ny sakana eo amin’ity lalana ity.
Nipitika tamin’izany ilay vehivavy nitondra ilay moto ka maty tsy tra-drano, ilay lehilahy tao aoriana kosa naratra mafy ka avy hatrany dia noentina haingana teny amin’ny hopitaly.
Raha ny fanazavan’ireo nanatri-maso ny tranga dia “somary nandeha mafy ilay moto nefa ny andro maizina, ka tsy voatanan’ilay tovovavy intsony ny familiana niafarany nidona mafy tamin’ilay sakana”. Voalaza fa mpianadahy ireto niharan-
doza ireto, raha ny fanazavan’ny renin’izy ireo tonga nizaha ny zava-misy teny an-toerana.
Raha ny tokony ho izy dia mbola tsy azo ifamezivezena ity lalana vita tamin’ny Frankôfônia ity, ka izay no antony nanasiana sakana eny amin’ny lalana ireo, raha ny fanazavan’ny Sefom-pokontany eny Soavimasoandro. Efa natolotra ny fianakaviana ny razana taorian’ny loza ary ilay tovolahy nitaingina taoriana kosa mbola eny amin’ny hopitaly, amin’izao fotoana izao.
Ilàna fitandremana ny fandehanana eny amin’ity lalana ity satria vao tsy ela ihany koa no nisy rangahy iray nitondra moto teny, ka niharan-doza ihany koa, raha ny fanazavana voaray hatrany.
Mihaja Sarobidy