Toy ny zava-nitranga tao amina tokantrano iray, ny ala-tsinainy alina lasa teo, tokony ho tamin’ny valo ora tany ho any dia lehilahy roa nisaron-tava no tonga nanafika tao.
Nitondra basy vita gasy PA sy calibre 12 izy ireo tamin’io fotoana io. Tonga dia niantso vonjy avy hatrany ny tao an-trano tamin’io fotoana io ka tapitra nivoaka avokoa ny olona rehetra. Raikitra, araka izany, ny fifandonana ka maty voadaroky ny fokonolona ny jiolahy iray antsoina hoe Ebanoa tamin’izany, ny iray kosa tafaporitsaka vaky nandositra. Raha ny vaovao voaray hatraminn’izao dia mbola tsy hita ilay olon-dratsy iray ary mbola mitohy ny fikarohana hatreto.
Marihina fa ny Borigadin’Ambohangibe no manao ny fizahana sy ny fikarohana rehetra ankehitriny.
Tatianà R.