Webradio

BAOLINA KITRA : Notoloran’ny Lehiben’ny Faritra kojakoja ny FC Iarivo Maroantsetra

Mandray anjara amin’ny Telma Coupe de Madagascar ny klioba Fc Iarivo ao Maroantsetra. 28 juillet 2017

Ny alahady 30 jolay izao izy ireo no hifandona amin’ny ekipa Fc Fosa avy any Antananarivo.

Efa ao anatin’ny fanomanana fatratra ny Fc Iarivo. Ho fampirisihina, dia nisy ny fanomezan’ny Lehiben’ny Faritra Analanjirofo kojakoja izay nahitana fanamiana, godasy ary baolina ho azy ireo. Ny Lehiben’ny Faritra Analanjirofo Ramaroson Jacques izay sady filohan’ny ligy baolina kitra Analanjirofo. Mbola izy ihany koa no filohan’ny ligy 22 eto Madagasikara.

Nanotrona azy tamin’ny fanolorana kojakoja ho an’ny Fc Iarivo izao ny minisitry ny Tontolo iainana, Ndahimananjara Johanita. Ity farany izay zanaky ny Distrikan’i Maroantsetra rahateo.


Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés