Mbola mibahan-toerana ao an-tsain’ireo mpandeha ny tahotra manoloana ny fanafihan-jiolahy nifanesy izay nitranga tamin’iny lalam-pirenena iny. Velon-taraina ireo fiara mpitatitra vokatr’izany satria miteraka fatiantoka iray lavaka ho azy ireo izany. Fantatra fa nidina hatramin’ny saran-dalana raha tokony hiakatra izany amin’izao fotoam-pialan-tsasatra izao.
Isan-taona anefa nambaran’ireo mpamily fa ifandrombahan’ireo mpandeha ny taksiborosy ary tsy maharaka mihitsy aza ny famandrihan-toerana, amin’izao fotoana anefa ny mifanohitra tanteraka amin’izany no miseho. Ankoatra ny tsy fandriam-pahalemana dia nilaza ihany koa ny tompon’andraikitra eo anivon’ny kaoperativa fa anisany mampiditra fatiantoka ho an’ny asa fitaterana ny firoboroboan’ny teknolojia amin’izao fotoana izao.
“Maro amin’ny olona no tsy mampiasa taksiborosy intsony fa raha misy ny vola tokony halefa any amin’ny toeran-kafa ohatra dia efa vitan’ireny fandefasam-bola amin’ny alalan’ny finday ireny izany. Raha misy ihany koa ny handefa entana dia manome toky ireo orinasa miandraikitra izany izay sady tonga ara-potoana amin’ilay toerana”, hoy ny voalazan’ireo mpitatitra.
Misedra fahasahiranana tsy toy taloha ireo mpitatitra ary amin’ny fotoanan’ny fialan-tsasatra vao mahita mangirana izy ireo kanefa dia izao sembanan’ny tsy fandriam-
pahalemana izao indray.
Avotra Isaorana