Webradio

VAROTRA SY FANJIFANA : Hotsaraina ireo mizàna sy ny fitaovam-pandrefesana eto Mahajanga

Manomboka, ny alatsinainy 31 jolay izao, no hatao ny fanamarinana ireo fitaovam-pandanjana rehetra amin’ny raharaham-barotra eto Mahajanga. 28 juillet 2017

 Hanomboka amin’ny mizàna sy vatomizàna fandanjana vary, legioma hatramin’ny volamena, ny metatra fandrefesana lamba, ireo famarana ny ranon-javatra toy ny menaka, solotany… Hotsinjaraina isam-pokontany ny fotoana anaovana ny fanamarinana.

Nandritra ny fotoana maro dia tsy nisy io fanamarinana fitaovam-pandrefesana io. Taona vitsivitsy izay dia nisy ny fidinana ifotony nataon’ny tompon’ andraikitra avy ao amin’ny Faritra sy fanjifana eto Mahajanga nahitana fa misy ny hosoka amin’ireny fitaovana ireny, ka  natomboka ny fanaraha-maso azy ireny. 

Mizàna madio miampy karatra manamarina fa mpivarotra ilay olona, ary kara-panondrom-pirenena no entina eny amin’ny sampandraharaham-panjakana misahana ny fandrefesana na ny ‘service de métrologie locale’ any amin’ny biraon’ny sampandraha- rahan’ny fambolena sy fiompiana eny amin’ny ‘bord’. Omena taratasy fankatoavana izay manara-dalàna, fandavana kosa raha mandainga ilay fitaovana. Omena ‘vignette’ izay porofo manamarina fa nahavita ny fanamarinana ny mpivarotra rehefa vita ny fitsarana.

Hisy kosa ny sazy henjana, hoy ny talem-paritra, Belalahy Jean Berchmans ho an’izay tsy tonga mitondra ny mizanany mandritra ny fotoam-pitsarana. Marihina fa araka ny lalàna dia isan-taona no tokony hatao io fitsarana fitaovam-pamarana io.

INVMGA

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés