Maro ny hetsika hokarakarain’ny mponina sy ny tompon’andraikitra any an-toerana mandritra izany hisy ny fety hataon’ny mpanakanto maro any amin’ireo toeram-pilanonana maro any an-toerana amin’izany toa an-dry Elidiot, Eric Manana, Jerry Marcoss….
Fa ankoatra izay ihany koa dia efa tsy maharaka intsony ireo efitra fandraisam-bahiny any an-toerana amin’izao, ka misy amin’ireo olon-tsotra no mampanofa trano ireo vahiny tonga any an-toerana. Ny mpitandro filaminana ihany koa dia efa mandray andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny manodidina sy miambina ireo toerana be mpitsidika sy be olona.
Mihaja Sarobidy