Webradio

TSY FANDRIAMPAHALEMANA : Raim-pianakaviana iray voafira famaky tamin’ny lohany

Raim-pianakavina iray naratra nofirain’ny andian-dahalo famaky tamin’ny lohany sy lamosiny ny alakamisy alina nifoha zoma. 1er août 2017

Tao amin’ny fokontany Begogo kaominina ambanivohitra Tsararano, Distrikan’i Maevatanàna no nitrangan’ny fanafihana.

Nandravarava ireo andian-dahalo miisa 30 vao niditra ny tanàna ka noraofin’ izy ireo avokoa ny omby tao an-toerana. Niezaka nanohitra kosa ireo tompon’omby ka raikitra ny fifandonana, tompon’omby iray voafira famaky ka naratra mafy.

Vaky lefa ireo sasany tamin’ny malaso nitondra ireo omby 70 isa ny ambiny nifandona tamin’ireo tompon’omby hafa ka dahalo iray voatifitra fa lasan’ireo namany ihany. Voalaza fa basy roa tamin’ireo tompon’omby dia lasan’ireo dahalo avokoa. Tafaporitsaka ireo dahalo, raikitra kosa ny fanarahan-dia.

Ny zandary avy ao Maevatanana kosa nanamafy ny fanarahan-dia ka hatramin’izao dia mbola tsy nahazoam-baovao izy ireo, raha ny loharanom-baovao. Voalaza kosa fa nisy vehivavy roa naman’ireo dahalo ary tsy olona avy ao an-toerana izy ireo.

Mbola manaraka fitsaboana kosa hatramin’izao ilay raim-pianakaviana tompon’omby, raha ny loharanom-baovao ihany.

Pounie

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés