Ny alarobia izao no tsy maintsy hanefan’ireo mponina izany. Tsy manaiky izany faneriterena atao azy ireo izany kosa ny fokonolona ao amin’ity fokontany ity ka nivory avokoa ny olon-dehibe ny sabotsy teo ary manohitra mafy ny didy jadona atao azy ireo, raha ny loharanom-baovao. Nilaza ny mponina fa aleo nandalovan’ny dahalo toy izay izao fihetsika miharo faneriterena ataon’ny mpitandro filaminana izao, araka ny loharanom-baovao ihany.
Raha tsiahivina dia folo andro lasa izay no nitrangan’ny fanafihan-dahalo nitam-basy tao amin’ny fokontany Antevamena ka vatan-dehilahy iray no maty lavon’ny balan’ny dahalo, olona roa hafa kosa naratra mafy ary omby 80 no lasan’ireo malaso tamin’izany.
Voalaza fa noho io fanafihana io dia nidina ifotony ireo mpitandro filaminana avy ao amin’ny Distrikan’i Manja ka manameloka ireo mponina ao amin’ny fokontany Antevamena. Ireo andian’olona ao ihany no dahalo manao fanafihana ka terena manefa io vola 2 tapitrisa ariary io homena ireto mpitandro filaminana.
Andrasana noho izany ny tohin’ny raharaha raha hanome io vola takiana io ireo vahoaka ao amin’ny fokontany Antevamena.
Pounie