VAZO AN-GITARA
Handrotsirotsy ireo mpankafy etsy Anosy i Do Rajohnson
Mpanakanto fantatra eo amin’ny gadona milamindamina i Do Rajohnson. Anio manomboka amin’ny 8 ora alina no hiaka-tsehatra eny amin’ny Cercle Franco Malgache ity mpanakanto avy eto an-drenivohitra ity. Mampanantena ambiansy ho an’ireo mpankafy ho avy hanotrona azy hatramin’izay ny lehilahy.
MANALA AZY ZOKINY
Hampilanonana ny Arena Ivandry i Olombelo Ricky
Taorian’ny hetsika mahazatra “Manal’azy vita Bacc” fataon’i Olombelo Ricky isaky ny vita fanadinana bakalorea dia hiaka-tsehatra hanafana seho takariva eny amin’ny Arena Ivandry i Olombelo Ricky. Hihaona amin’ireo mpankafy na mpanaraka ny “Manal’azy vita bacc” tany amin’ny nanombohana ity seho iray vita fanadinana ity, tany amin’ny 25 taona lasa, etsy amin’ny Arena Ivandry ity mpanakanto efa fanta-daza amin’ny mozika malagasy ity, anio hariva amin’ny 8 ora. Hohirainy ao avokoa ireo hira nahafantarana azy hatramin’izay toy ny « Hadinony ianao », « Tsy mety milaza », “Ikalangita”, sns.
MILAMINDAMINA
Hampiala voly ny Espace Nombantsoa By pass ny tarika Rebika
Ela tsy tazana. Seho takariva miavaka indray no hoentin’ny tarika Rebika etsy amin’ny Espace Nombantsoa By pass, anio manomboka amin’ny 8 ora. Tarika manana ny lazany eo amin’ny gadona mozika maro samy hafa izy ireto. Hitondra ireo hira naha kalaza ny tarika hatr’izay izy ireto amin’ity seho takariva hampiala voly ireo mpankafy ity. Mampanantena fahafaham-po tanteraka azy ireo kosa ny tarika amin’io fotoana.
ROCK
Hanafana ny sehatry ny Piment café Behoririka i Kiaka
Niverina hiaka-tsehatra indray i Kiaka anio etsy amin’ny Piment Café behoririka, manomboka amin’ny 9 ora alina. Hafana noho izany ny alim-pandihizana hiarahan’ity mpanakanto mivoy ny gadona rock ity amin’ireo mpankafy izany. Antenaina, araka izany, fa ny masoandro hiposaka no hampalahelo amin’ny fiarahana amin’ity mpanakanto kalaza ity.
VARIETE
Hampiara-peo etsy amin’ny Cemes Soanierana i Lôla sy Njakatiana
Seho goavam-be miavaka no hotontosain’ny mpanakanto roa samy manana ny maha izy azy eo amin’ny tontolon’ny mozika, etsy amin’ny Cemes Soanierana. Anio manomboka amin’ny 9 ora alina no fotoanan’izy ireo amin’ny mpankafy. Fampiaraham-peo izay tena tsy hanam-paharoa no hafanain’i Lôla sy Njakatiana ao amin’ity toeram-pilanonana ngeza ity.
Mpanakanto roa samy manana ny talentany eo amin’ny sehatry ny zavakanto izy ireto ka amin’io fotoana io ihany koa dia samy hampiseho ny maha izy azy ny roa tonta. Ambiansy tropikaly tanteraka no hanafana ireo mpankafy amin’io seho takariva miavaka io.
Nangonin’ i Pounie