Webradio

HETSIKA ARA-KOLONTSAINA : Homarihina any Antsohihy ny faha-10 taonan’ny festival Lampogno

Feno folo taona katroka amin’ity taona ity ny nisian’ny “festival Lampogno”. Hetsika izay natao indrindra hanasongadinana ny fomban-drazana any amin’ny Faritra Sofia iny. 4 août 2017

Ny Distrikan’Antsohihy no hampiantrano ny fankalazana ny fahafolo taona nisian’ny “festival Lampogno” izay hotanterahina, ny 24 ka hatramin’ny 27 ny volana aogositra ho avy izao. Ny fikambanana Lampogno eto Madagasikara na ny ALM no mikarakara ny hetsika rehetra. Nambaran’izy ireo fa hiavaka noho ny hetsika rehetra efa natao hatramin’izay ny amin’ity indray mitoraka ity.

Hiavaka satria handray anjara amin’ny hetsika avokoa ireo mpanakanto malaza izay avy ao Antsohihy ihany, hisy ihany koa ny lalao ara-panatanjahantena, ankoatra izay dia hisy koa ny fanapoahana afomanga. Lohahevitra hovoizina mandritra ny efatra andro hanaovana ny hetsika ny hoe “Tambirô”.

Araka ny fanazavana noentin’ny tompon’andraikitra dia tsy mijanona fotsiny amin’ny maha hetsika ara-javakanto azy ny “festival Lampogno” fa mifandraika amin’ny fombafomba sy kolontsaina samihafa mampiavaka ny any an-toerana. Tanjona ao anatin’ny hetsika ny hanasongadinana ny fomban-drazana atao hoe “Lampogno” izay midika ho firaisan-kina, ao anatin’ny Distrikan’Antsohihy. “Ny Lampogno dia midika hoe fifanomezan-tanana ao anatin’ny fiaraha-monina. Raha misy asa tana-maro hatao dia tsy mandray karama ny olona fa zava-pisotro mahamamo no hifampizaràn’ny fiarahamonina”, hoy ny fanazavana voaray noentin’ny mpikarakara ny hetsika notarihin’i Jean Rigo. Ankoatra izay ahafahana manandratra ny kolontsaina ao anatin’ny Faritra Sofia ihany koa ny “festival Lampogno”.

Nambaran’ny tompon’andraikitra hatrany fa tao anatin’izay folo taona nisian’ny hetsika izay dia maro ny vokatsoa noentiny ho an’ny Faritra Sofia. “Maro be ny vokatra noentin’ny festival Lampogno ho an’ny Faritra Sofia, nitombo ny fotodrafitrasa tafatsangana ary nitombo ihany koa ny fahatongavan’ireo vahiny mpizaha tany any an-toerana”, hoy hatrany ny fanazavan’ireo mpikarakara.

Manoloana ny fisian’ilay “festival Samy Jao” kosa dia nanambara ny avy eo anivon’ny ALM fa fanakorontanana tiana hatao fotsiny ihany no antom-pisian’io hetsika iray io. Fantatra fa herinandro mialoha ny festival Lampogno ao Antsohihy no hanatanterahana ny “festival Samy Jao”. “Na ny anarana nampitondraina an’ity hetsika Samy Jao ity aza dia noentina hizahozahoan’ny olon-tokana fotsiny ihany, izay natao hanapotehana ny kolontsaina misy ao Antsohihy”, hoy ny solontena avy amin’ny ALM. Nanomboka tamin’ny taona 2007 no nisy hetsika Lampogno andiany voalohany izay notanterahina tao Mandritsara. Tsy nitsaha-nandroso ny hetsika ary tonga hatramin’ny fahafolo taona ary efa mijoro ara-panjakana amin’izao fotoana izao.


Avotra Isaorana

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés