Webradio

NOSY BE : Tafakatra 1 000 Ariary vidin’ny iray kapoaka amin’ny vary amin’izao fotoana izao

Mampikaikaika ny mponina ny fiakaran’ny vidim-piainana ao an-tampon-tanànan’i Nosy Be. 4 août 2017

Ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro no tena tsy mitsaha-miakatra toy ny vary, siramamy ary misy amin’ireo entana hafa aza no efa hifampitadiavana vao hita eny an-tsena toy ny lafarinina.

Araka ny vaovao voaray avy any an-toerana dia mahatratra hatrany amin’ny arivo Ariary ny vidin’ny iray kapoaka amin’ny vary manintry any an-toerana raha mihazohazo eo amin’ny 750 Ariary ka hatramin’ny 650 Ariary kosa ny iray kapoaka amin’ny vary vao sy ny vary izay vokarina amin’ireo faritra mpamokatra eto Madagasikara. Fantatra fa saika amin’ny kapoaka avokoa ny hamarotan’ireo mpivarotra ny vary fa tsy misy intsony ny amin’ny kilao mba hahazoan’izy ireo tombony kokoa.

Velon-taraina ny mponina, tra-pahasahiranana tanteraka satria ankoatra ireo entana tena mamatsy ny fiainana andavanandro dia efa tsy zaka vidiana intsony ihany koa ny legioma ao an-tampon-tanànan’i Nosy Be. Manoloana izao trangan-javatra izao dia manahy amin’ny mety ho firongatry ny varo-maizina ny mponina.

Avotra Isaorana

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés