Webradio

FOARABEN’NY LOJY MITSANGANA SY VOAMAINA : Tontosa ny faran’ny herinandro teo, nahitana fahombiazana

Ambohi-pihaonan’ireo mpisehatra rehetra amin’ny lalam-pihariana Lojy sy voamaina ny kaominina ambanivohitr’Ambondromamy, disitrikan’Ambato Boeny ny faran’ny herinandro teo. 4 août 2017

Ambondromamy no nampiantrano ny foara “Lojy mitsangana sy voamaina” andiany faharoa, ny zoma 28 hatramin’ny Alahady 30 jolay. Raha voalohany maneran-tany amin’ny vokatra lavanila i Madagasikara, dia faharoa manerantany kosa izy amin’ny vokatra Lojy, ary ny faritra Boeny no mamokatra ny ampahany betsaka amin’izany, hoy ny Tale jeneralin’ny Fambolena, Andriamatoa Ranarivelo Fanomezantsoa, izay nisolotena ny Minisitra eo anivon’ny Fiadidina ny Repoblika misahana ny Fambolena sy ny Fiompina mpiahy tamin’ny fanokafana ofisialy ny foara.

Sehatra natao hampihaonana ireo mpamokatra sy mpandraharaha mpikarakara sy mpikirakira ary ireo teknisiana mba hampiroboroboana maharitra ny vokatra Lojy sy voamaina eto Boeny no nanaovana ny foara. Ny ministera mpiahy, amin’ny alàlan’ny fandaharan’asa Prosperer Boeny, miaraka amin’ireo mpisehatra rehetra ao amin’ny seha-pihariana Lojy no mikarakara azy ity.«  Antsika jiaby miara-miasa hampiakatra ny fari-piainan’ny tantsaha, hampandroso ny toe-karen’ny faritra  »  no lohahevitry ny andiany faharoa.

Ka raha ny anjara andraikitry ny Faritra Boeny manokana hoy ny lehiben’ny Kabinetra, Andriamatoa Hemedy dia tamin’ny alàlan’ny famoahany ny lalànam-paritra 039/15/BN/CR mifehy ny seha-pihariana Lojy nanomboka ny taona 2015. Ny faritra Boeny notarihan’ny lehiben’ny faritra Said Ahamad Jaffar ihany koa no niaraka nanangana ny Vovonan’ny seha-pihariana Lojy ny taona 2015, niaraka tamin’ireo mpisehatra rehetra sy ireo Foibem-paritra voakasika mivantana. Nivoatra hatrany izany lasitra lalana izany ary nentina namaritra ny Marché contrôlé du Black eyes, tamin’ity taona ity, izay samy efa am-perinasa avokoa. 

Mpamboly miisa 100 mahery avy any amin’ireo kaominina 12 ao amin’ny distrikan’Ambato Boeny, ary solontena avy ao Marovoay sy Mahajanga II no nandray anjara. Lojy mena, Lojy mainty maso, Tsororoka, Tsiasisa, Katsaka. Ireo no voamaina tena nibahan-toerana nandritra ny foara. Efa nisy sahady ny fitsirihana isaka ny trano hevan’ny tantsaha ny habetsahan’ny vokatr’izy ireo ho an’ny filàn’ny COMESA (Common Market of Eastern and Southern Afirca) araka ny tatitry ny Tale vonjy maikan’ny fampandrosoana ny faritra Boeny, Andriamatoa Randriambololona Marcelin. 

Ankoatra ny tantsaha mpamboly, dia tao koa ireo mpivarotra fanafody famonoana bibikely sy zezika ilaina manokana ho an’ny voly Lojy sy ho an’ny voly hafa. Tao koa ny Fofifa izay nampahafantatra ireo mpamboly, ireo masomboly voafantina sy nohatsaraina. Anisany nahaliana ireo tantsaha ireo fitaovam-pambolena vokarin’ny Foibe fampiofanana sy fampiharana ny fitaovam-pambolena na CFAMA, (Centre de Formation et d’Application du machinisme agricole) ao Ivory, Antsirabe. Nanaovana andrana ny masinina famoasana Lojy iray, izay mitentina 8 tapitrisa ariary, ary tsapan’ireo mpamboly fa manampy betsaka azy ireo tokoa izy io. 

Tanora mioitra maromaro izay nahazo tohana ara-piofanana avy amin’ny Prosperer ary efa mamokatra zanakazo, volotsangana, cocombre, ary manao asa tanana, zaitra, fiompiana trondro, ary akoho amam-borona  : samy nandray anjara tamin’ity foara ity avokoa ary nisy ireo notolorana fitaovana. Ny prosperer moa dia manohana tanteraka ireo tantsaha aty amin’ny faritra Boeny, ny ‘chambre de commerce’ kosa dia manohana ireo mpandraharaha manomboka amin’ny mpanangom-bokatra hatramin’ny mpanondrana. Nitombo 50%  ny mpandray anjara raha ampitahaina tamin’ny taon-dasa hoy ireo mpikarakara. Tsiahivina fa tao amin’ny kaominina ambonivohitr’ Ambato Boeny ny foara Lojy mitsangana andiany voalohany ny taona lasa.

Betsaka ny fifanankalozana

Anisany fitarainan’ny tantsaha nandritra ny fanokafana kosa ny tsy fahampian’ny fahalalan’izy ireo ny amin’ny teknika ara-pambolena sy fiompiana. Ankilan’izay anefa ny mpamboly katsaka ao amin’ny kaominina Ambesisika, distrikan’Ambato Boeny kosa rehefa nahazo fiofanana ara-teknika tamin’ny Prosperer, dia mampanantena vokatra valo taonina isaka ny hekitara (8t/ha) amin’ity taona ity ary efa afaka mampianatra ireo tantsaha namany.

Nandritra ireo loabary andasy nandritra ny telo andro nifanesy, izay fandaharam-potoana nahasarika olona maro, no nivoahan’ireo fifanakalozana ireo. Teo koa ny fampianarana narahina fifanakalozan-kevitra mikasika ny ‘Traçabilité’ na zotra fihariana ny omby, ny fomba fampiasana ny fanafody famonoana bibikely, zezika simika sy organika, ny fanamorana ny fahazoana masomboly sy fitaovam-pamokarana ary ny fampindramam-bola madinika ho an’ny tantsaha.

Nofaranana tamin’ny fanolorana marim-pankasitrahana ho an’ireo mpandray anjara ny foara Lojy mitsangana sy voamaina andiany faharoa ny Alahady 30 jolay. Ka natolotra ny kaoperativan’ny tantsaha Tamia avy ao Ambato Boeny, tamin’ny an-tsasa-bidiny ilay milina famoasana Lojy ary ny Prosperer Boeny no mandoa ny antsasany, efatra tapitrisa ariary.


Nangonin’i Vanessa

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés