Nitsidika ny vahoakan’i Marolambo ny herinandro lasa teo araka izany ity depiote voafidy amin’ny lokony Mapar ity ary tsy nahasakana azy ny faharatsian’ny lalana mankany an-toerana. Tena marina efa tsy lalana intsony no azo ilazana ny lalana mandeha any Marolambo ity noho ny fahasarotany. Sady mamotaka no mitsaka rano maro.
Manao asa soa izay fanaony hatrany i Irmah Naharimamy nandritra ny fitsidihana nataony tao Marolambo. Ankoatry ny fitsinjovany ireo vahoaka izay ohatran’ny adinon’ny mpitondra tanteraka dia namita ny Kongresin’ny antoko Tgv sy Mapar tany an-toerana ny tenany ny alakamisy 3 aogositra teo izay naharitra 3 andro.
Nangataka ny filatsahan’ny filoha Andry Rajoelina amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena amin’ny taona 2018 ny mpikambana rehetra eny fa na ireo tsy mpikambana izay leo amin’ny fitondrana misy ankehitriny aza. Lasa tany lavitra andriana Marolambo ary midangana izay tsy izy ny vidim-piainana any an-toerana.
A.Lepêcheur