Izay no nambaran’ny minisitry ny Asam-panjakana sy asa sosialy teo aloha Tabera Randriamanantsoa rehefa nanontaniana ny heviny mikasika ity rafitry ity. Ho an’i Tabera Randriamanantsoa « fahamarinana sy fampihavanana tena izy (vérité et réconciliation) no ilain’ny firenena sy ny vahoaka malagasy fa tsy fampihavanana ny mpanao politika tahaka an- dRavalomanana sy ny sasany. Izany hoe tsy tokony hisy ny tsy matimanota ».
« Manana tantara ary manana ny maha izy azy ny faritra tsirairay eto Madagasikara izay tsy azo kosehina. Mitaky fiovana manomboka eny ifotony na « refondation » ny fampihavanam-pirenena. Amin’ny fomba ahoana no hisian’ny fampihavanam-pirenena raha tsy mbola manana fahafahana ny hitsabo tena ohatra ny ankamaroan’ny tokantrano malagasy ? Ohatra iray anatiny maro izany », hoy hatrany Tabera Randriamanantsoa. Na izany na tsy izany tsy vitsy ireo mpanara-baovao maneho ny ahiahiny mikasika ny FFM vaovao.
« Tsy hitondra zava-baovao eto amin’ny firenena izany ny FFM raha mbola afenina ny marina eo amin’ny lafiny politika, sosialy, ekonomika, sns. Tsy fampihavanana ireo mpitondra nifandimby teo aloha sy ankehitriny no ilain’ny malagasy fa fampandrosoana mirindra any amin’ireo faritra rehetra misy eto amin’ny firenena », hoy ny fanazavana nomen’ny raiamadreny iray any Antsiranana.
A.Lepêcheur