Webradio

BRIKAVILLE SY TOAMASINA : Antokin’ny fampandrosoana ny fiaraha-miasan’ ny kaominina roa tonta

Afaka mampiroborobo ny fampandrosoana hatrany isika Malagasy na dia tsy misy fanampiana avy any ivelany aza. Azo atao tsara ny mametraka fiaraha-miasa matotra eo amin’ ny Kaominina roa na maromaro. 10 août 2017

Isan’ ny nanantanteraka izany ny Kaominina Brickaville sy ny Kaominina Toamasina. Tafiditra ao anatin’ ilay antsoina hoe “ jumellage ” izany mba hifanampiana eo amin’ ny sehatra rehetra, indrindra ny fampandrosoana ny toe-karena.   Betsaka ireo vokatra  misy ao amin’ny Distrikan’i Brickaville,toy  ny jono , fambolena.  

Ankoatran’ny fanapariahana eo amin’ny tsena anatiny eto Madagasikara mantsy dia manondrana ny vokatra mankany ivelany ihany koa ity tanàna ity. Tombontsoa maro  araka izany no azon’ ny distrikan’i Brickaville izay tarihan’ny Kaominina Renivohitrry ny distrika amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny Kaominina Toamasina. Havaozina araka izany ny tranom-pokonolona ao an-toerana mba ahafahan’ny Kaominina mampidi-bola. 

Fa isan’ny tetikasa izay haroso maika eo amin’ny fiaraha-miasan’ ny roa tonta hoy ny Ben’ny tanànan’  i Toamasina , Elysée Ratsiraka “ ny fananganana rafitra manokana hisehatra eo amin’ny “ litchis”, na izany ho an’ny tsena anatiny na ny fanondranana mankany ivelany ”.  Tsy vitan’izany ihany fa na amin’ny lafiny ara-panatanjahan-tena aza dia  hohamafisina daholo. 

Samy entina mampiroborobo ny fizahantany avokoa izany rehetra izany raha ny fanazavàna. Anisany nanamarihana ny  fiaraha-miasan’ny roa tonta koa ny fikarakarana fihaonana ara-panatanjahan-tena, lalao baolika kitra teo amin’ny ekipan’ny Voromaherin’ i Brickaville sy ny Appel Mahanoro tao amin’ny kianjan’i Maromamy. Samy nahazo amboara sy fanomezana avy amin’ny Ben’ny tanànan’i Toamasina sady filoha mpanorina ny antoko Appel avokoa ny ekipa roa tonta na dia nivoaka ho mpandresy tany amin’ny fandakàna “tire au but” aza ny ekipan’i brickaville.

Tatianà R.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés