Webradio

TILY ETO MADAGASIKARA : Solontena arivo mahery mifamotoana eto Mahajanga

Tily maro avy amin’ny fiangonana FJKM (Fiangonan’i jesoa Kristy eto Madagasikara), FLM (fiangonana loterana Makagasy), EMTM (Misiona evanjelista teratany Madagasikara), anglikanina ary FMTA (Fiangonana Malagasy Tranozozoro Antranobiriky) ary misy koa ny tsy miankina amin’ny fiangonana no tonga mifamotoana eo Mahajanga. 11 août 2017

Misy ny fifaninanana teknika nasionalin’ny tily atao eto Mahajanga. Ireo naharesy tamin’ny fifaninanam-paritra no tonga eto fa tsy ny tily manerana an’i Madagasikara. Tapitra omaly ny fifaninanana teknika izay nahitana fahalalana soratra masina, kolo talenta, fanatanjahan-tena… tao ihany koa ny fifaninanana tetikasa. Manomboka amin’ny enina taona ireo tily ireo ary misy ny efa lehibe sy efa misotro ronono mihitsy.
Miisa 320 ireo lovitao sampana mavo tonga eto, enina ka hatramin’ny
11 taona izy ireo.

Miisa 400 kosa ireo sampana maitso 12 ka hatramin’ny 16 taona. 278 kosa ny sampana mena 17 ka hatramin’ny 19 taona ary 100 mahery ireo menafify na mihoatra ny 19 taona. Fitaizana sy famolavolana ny ankizy sy ny tanora zazalahy ho vavolombelon’i Kristy no tanjon’ny tily. Tsy izay ihany fa manabe ny ankizy sy tanora ho olom-pirenena vanona sy andrin’ny fianakaviana. Fikambanana maneran-tany izy io, niorina tamin’ny 1907. Ny 1924 kosa no tonga teto Madagasikara. Fiombonana mankany amin’ny fahatsarana no tanjon’izy ireo amin’ity hetsika atao eto Mahajanga ity.

Ny alarobia no natao ny lanonana famaranana amin’ny fomba ofisialy. Omaly ihany koa no natao ny hazakazaka izay niarahan’ny tily rehetra teny amin’ny bord, narahin’ny fanolorana ny amboara ho an’ireo nahazo izany tao amin’ny tranoben’ny kolotsaina.

Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés