Webradio

FANATANJAHANTENA AN-TSEKOLY : Nosokafana tamin’ny fomba manetriketrika ny zoma teo

Mpianatra, mpiandraikitra ary mpitsara lalao hatrany amin’ny 1600 no tonga misolo tena ireo Faritra 21, ankoatra ny sampandraharaham-paritry ny Fanabeazam-pirenena Boeny izay mpampiantrano eto Mahajanga. 21 août 2017

Ambohipihaonan’ireo mpianatra avy amin’ny lafy valon’ny Nosy tokoa ny eto Mahajanga. Ny zoma tolakandro teo no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny kianja Rabemananjara ny "sport scolaire national 2017". Nanome voninahitra ny lanonana ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena Paul Rabary, ny minisitry ny Fanatanjahantena, ary ny minisitry ny Serasera sy ny fifandraisana amin’ny andrim-panjakana. 

Tanjona roa lehibe no tratrarina amin’ny fikarakarana fanatanjahantena an-tsekoly, voalohany ny fanomanana ireo taniketsa ho avin’ny fanatanjahantena Malagasy, indrindra koa ho fitaizana ireo mpianatra hanana vatana tomady mba hitondra fahombiazana. Ao ihany koa ny fifaneraserana sy fifanakalozana eo amin’ny samy mpianatra. Haharitra 10 andro ny fanatanjahantena an-tsekoly. 

Taranja maro no hifaninanana amin’izany tahaka ireo lalao iraisana toy ny baolina kitra, baskety... isan’izany koa ny athletisma. Hampiavaka ny amin’ity taona ity ny «  Urban cross  » izay hivoaka an-dalam-be. Amin’ny 27 aogositra no hifarana ny fanatanjahantena an-tsekoly atao any Mahajanga ity. 


Vanessa

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés