Webradio

MATSIATRA AMBONY : Zazavavikely roa taona naratra mafy ahiana ho naolan’ny rainy

Tranga iray nahatsiravina no niseho tao amin’ny Kaominin’i Talatanampano Fianarantsoa,ny alahady lasa teo noho ny fisiana fanolanana zazavavy kely iray vao roa taona monja. 29 août 2017

Raha ny loharanom-baovao voaray avy any an-toerana dia nitomany tsy hay nampanginina ilay zaza,ny alahady hariva.

Gaga ny reniny rehefa niditra ny trano fonenany raha nahita ny fivavian-janany nivonto sy masaka ary nivoaka rà. Araka ny voalazan’ny reniny anefa dia tsy mbola nahitana aretina tahaka izany ity zaza ity hatramin’izay,ka avy hatrany dia noentina tany amin’ny tobim-pahasalamana mba hatao fizahana. Vokatr’izay dia nilaza ireo mpitsabo fa nisy nanolana io zaza io.

Teo ihany dia niahiahy ny reniny sao ilay rainy ihany no nahavanon-doza satria dia tsy hita tao an-trano ny tenany nandritra ny tontolo andro nefa napetraka tamin’ilay rangahy ity zaza ity. Rehefa tonga ny hariva dia taitra ity ramatoa ity raha nahita ny zanany nikiakiaka irery tao an-trano.

Ny toerana misy azy ireo ihany koa somary nangingina ka tsy nisy nahare ny teo amin’ny manodidina raha tsy nampilaza ny mponina ny zava-nisy ny renin’
ilay zaza.

Ny mpiara-monina no niara-nisalahy taminy nitondrana ny zaza nandeha nitady mpitsabo. Noho ny tsy fahitana ity rangahy rainy dia niahiahy azy daholo ny rehetra ka nampilaza tany amin’ny mpitandro filaminana avy hatrany ny fokonolona.

Mbola karohina izy io amin’izao fotoana izao ary misokatra ny fanadihadiana ka andrasana hatreto ny tohin’ny raharaha.

Tatianà R.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés