Vao 11 taona ity zazavavy kely ity ary ny sokajy D no nosafidiany.
Tao amin’ny sekoly Memorial School Toliara ao an-tampon-tanànan’i Toliara no nianarany. Voalaza fa tsy tany an-tsekoly i Soarae tamin’ny fahakeliny, fa nisy mpampianatra nampianatra azy manokana nandritra izany tany an-tranon’ny ray aman-
dreniny.
Nanomboka ny kilasy faharoa vao niditra an-tsekoly i Soarae rehefa avy afaka BEPC. Avy any Ambovombe ny fiaviany ary ny ray aman-dreniny dia mpampianatra amin’ny oniversite, araka ny loharanom-baovao. Voalaza ihany koa fa ny taranja Frantsay, matematika ary ny Siansa no tiany ka nahatonga azy nisafidy ny sokajy D. Arahabaina fa afaka soa aman-tsara, mirary azy ho tonga amin’ny tanjona iriny.
Pounie