Zazalahikely niisa 120 tany ho any no nahazo sitraka izany mba hanamaivanana ny fahasahiranan’ireo ray aman-dreny. Famorana amin’ny fomba amerikanina no natao ary mpitsabo maromaro no tonga tao an-toerana nifanotrona tamin’izy ireo.
Manoloana ity hetsika ity dia namoaka fanambarana i Vaonala Rohy solombavambahoaka voafidy tao amin’ny faritra fa “hisy ny fiaraha-miasan’izy ireo miaraka amin’ny ministeran’ny fahasalamana ato ho ato mba hitsinjovana ireo mponina ka hitohy hatrany izany hatramin’ny taona ho avy ary atao maimaimpoana avokoa mba hanampiana ny vahoaka madinika”.
Tsy ny lafiny ara-pahasalamana ihany anefa no entina hanampiana ireo mponina fa ezahana hatao ny sehatra maro samihafa. Misy araka izany ny famoronana asa ho an’ireo tanora ao an-toerana ary hisy ny fangatahana fiaraha-miasa amin’ny fanjakana mba hahitana fahombiazana amin’izany .
Tatianà R.