Webradio

ADY OMBY MIFAHY : Lavon’ny Ajsa tao amin’ny kianja monisipaly Sainte-Marie ny Fc Fanilo

Tontosa ny alahady 27 aogositra tao amin’ny kianja monisipaly Sainte-Marie ny lalao famaranana ady omby mifahy. 30 août 2017

Ekipa sangany ao an-toerana no niatrika izany lalao famaranana izany dia ny Ajsa avy ao Andapanangoy sy ny Fc Fanilo.

Niady ny lalao. Nivoaka ho mpandresy tamin’ny isa hety dia hety ny Ajsa. Isa 2-1 no nisarahana. Lasan’ny Ajsa araka izany ny omby matavy.

Ny filohan’ny ligim-paritra ny baolina kitra Analanjirofo, Ramaroson Jacques no nanolotra izany. Ezahina hisy matetika ny lalao tahaka izao mba ho fampirisihana ireo mpitia fanatanjahantena ao an-toerana, raha ny fanazavana nentin’i Massou Clarel Laurida, izay mpanolotsainan’ny lehiben’ny Faritra Analanjirofo miasa ao Sainte-Marie.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés