Webradio

LALAO ARA-PANATANJAHANTENA AN-TSEKOLY : Nametraka loto tao Mahajanga ireo mpianatra

Tamin’ny faran’ny herinandro teo no nifarana ny lalao nasionaly ara-panatanjahantena an-tsekoly tamin’ity taona ity izay natao tao Mahajanga. 30 août 2017

Ny alatsinainy dia efa nody any amin’ny faritra misy azy avy ireo mpianatra ireo.
Mpianatra an-jatony mahery no tonga tany an-toerana nandray anjara tamin’ny lalao fifaninanana. Maro ireo toerana nipetrahan’izy ireo teto ary anisan’izany ireo sekolim-panjakana lisea Philibert Tsirananan ny CEG Marocoz ary ny CEG Charle Renel .

Taorian’ny fotoana nialan’ireo mpianatra tao amin’ireo sekoly nametrahana azy ireo dia tsy nandray anjara tamin’ny fanadiovana ny toerana nitobiany izy ireo fa nametraka loto dia lasa. Noraisin’ny kaominina Mahajanga an-tanana ny fanadiovana ny toerana rehetra nisian’ireo mpandray anjara .

Tamin’ny nandalovanay teny amin’ireo lisea sy CEG ireo dia mbola miparitaka eny an-tokontanin-tsekoly ny latabatra sy seza nampiasan’ireo mpianatra ireo. Eo ihany koa ny kitay tsy lany nampiasain’ireo mpianatra. Mbola tsy manomboka araka izany ny asa fandaminana sy fanadiovana ataon’ny kaominina amin’ny toerana izay nampiantranoana ireo mpianatra nandray anjara tamin’ny lalao nasionaly teo iny.

Andrasana araka izany ny fiantombohan’ny asa fanadiovana satria dia efa miroso amin’ny fanomanana ny fidiran’ny mpianatra ny mpitantana ireo sekoly ireo,ka rariny sy hitsiny raha hivantana tontolo madio ireo mpianatra.

Patricia (stagiaire)

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés