Webradio

FANAFIHANA MITAM-BASY : Jiolahy roa lavon’ny balan’ny Sag tetsy Ampasika

Jiolahy roa nikasa handroba mpivaron-kena no lavon’ny balan’ny Sag (Service Anti Gang) afakomaly hariva tokony ho tamin’ny 7 ora mahery teo.  4 septembre 2017

Tetsy Ampasika no nitrangan’ny fanafihana. Teo am-panaovana ny fanafihana ireto jiolahy efa-dahy ireto  no tra-tehaky ny mpitandro filaminana. Nisy olona teo amin’ny manodidina nahatsikaritra fihetsika hafahafa tamin’ireo jiolahy ka avy hatrany dia nampandre ireto farany. 

Mbola tsy nisy zavatra lasan’ireto olon-dratsy no tonga tampoka ny avy ao amin’ny Sag ka raikitra ny fifampitifirana. Voatifitra ny roalahy tamin’ireo jiolahy ka naratra mafy, avy hatrany dia noentina namonjy toeram-pitsaboana tetsy amin’ny  hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona  n any HJRA. 

«  Mbola nisy aina izy ireo tonga teto saingy na efa natao aza ny fialana nenina dia  maty ihany izy ireo », hoy ny mpitsabo tao an-toerana. Basy PA roa no tratra niaraka tamin’izy roalahy ireto, raha ny tatitra azo avy tamin’ny mpitandro filaminana. Misokatra ny fanadihadiana mahakasika ity tranga ity ankehitriny ary efa eo am-pikarohana ireo roalahy ambiny ihany koa ny polisim-pirenena eto an-toerana.

Pounie 

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés