Webradio

FESTIVAL TSOLABE ANDIANY FAHA-9 : Nomen-danja manokana ny kolontsaina

Ny trozona ( zagnaharibe) sy ny ranomasina ary ny fisian’ny karazan-trondro an-dranomasina, ireo no toko telo mahatonga an’i Sainte-Marie manintona mpizaha tany. 4 septembre 2017

Manampy amin’ny fisintonana ireo mpizaha tany ny fisian’ny hetsika ara-kolontsaina. Anisany mitondra anjara biriky amin’ny fampiroboroboana ny fizahantany ao Sainte-Marie i Angelos Adonis filohan’ny komity Festival Tsolabe sy ny ekipany. Miditra amin’ny andiany faha-9 ny Festival Tsolabe tamin’ity taona ity. Izany hoe sivy taona nisiana. Festival anomezan-danja ny kolontsaina Antenosy ary isian’ny hetsika ara-javakanto maro sy ara-panatanjahantena. Ny 31 aogositra lasa teo no nanomboka ary nifarana ny alahady 3 septambra.

Alim-pandihizana ny alakamisy 31 aogositra tao amin’ny efitrano fisakafoanana William Kid Ambodifotatra no nanokafana ny hetsika rehetra. Alim-pandihizana nohafanain’i Vaney’s, JB Junior, Remi, Fafas. Ny marainan’ny zoma 1 septambra, nisy ny diabe mitety tanàna nandraisan’ireo sokajin’olona maro anjara.

Nandritra ny lanonam-panokafana izay natao tao amin’ny kianja Tsolabe ao amin’ny fokontany Ilot-Madame ny antoandron’ny zoma dia nivoitra nandritra ny lahateny nifandimbiasana ny maha zava-dehibe ny fisian’ny hetsika ara-kolontsaina ao Sainte-Marie. Tonga nanokatra ny lanonana tamin’ny fomba ofisialy ny Lehiben’ny Faritra Analanjirofo izay sady filoham-boninahitra. 

Sehatra iray ahafahan’ny Antenosy mamoaka ireo kolontsaina misy ao aminy ny Festival Tsolabe. Mpanakanto maro no tonga tao Sainte-Marie nandritra ny efatra andro. Nifanesy nanao fampisehoana ho an’ny vahoakan’i Sainte-Marie tao amin’ny kianja Tsolabe ao Ilot-Madame izy ireo.

Kamy

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés