Webradio

KOLONTSAINA : Hetsika maroloko nanamarihana ny fiafaran’ny Fivahinianana tany Lamecque

Fety, sorona masina, ary fanatanjahantena sy fifanakalozana nandritra ny telo andro tetsy amin’ ny 67ha.  4 septembre 2017

Nifarana tamin’ny fomba ofisialy, omaly alahady, ny fankalazana ny famaranana ny fivahinianana masina any Lameka, izay fanao isan-taona ho an’ny finoana silamo, antsoina hoe  id moubarak. Nisy ny carnaval lehibe niainga, tetsy amin’ny tranon’i Papa Soulé nihazo ny toerana malalaka, tetsy amin’ny Havana 67ha. 

Ny id.moubarak dia fety fanao isan-taona amin’ny andro faha-9 amin’ny volana faharoa aorian’ny "Ramadan". Maro ny fomba atao amin’izany, ka isan’izany ny famonoana ondry, izay natao hahatsiarovana ny sorona masina nataon’i Abraham tamin’i Ismael raha hanatanteraka ny sitrapon’ilay Nahary izy ka nivadika ho zanak’ondry izany, izay nifatotra tao anaty kirihitra. 

Fihaonana ara-panatanjahantena, baolina kitra no namaranana ity andro lehibe ity, ka ekipa enina no nifaninana. Niatrika ny dingana famaranana ny TanaFC sy ny FC Zanak’Avaratra teny amin’ny kianjan’Ny Havana 67ha, rehefa tafita tamin’ny lalao fifanintsanana roa avy. Hatreto aloha mbola tsy ahitana mpilalao avy amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny ao amin’ny ekipam-pirenena, ka isan’ny nitsirihana izany koa ity fifaninanana ity. 

Loka maro no nozaraina, ka izay mahazo ny fandresena dia mahazo lelavola enina hetsy Ariary, ny faharoa kosa efatra hetsy. Notolorana amboara koa ireo mpilalao mendrika sy nahafaty baolina betsaka indrindra, ny mpiandry tsato-by tena mahay. 
Fety maroloko no nataon’ny finoana Silamo eto Iarivo nandritra izay telo andro izay.

modération a priori

Ce forum est modéré a priori : votre contribution n'apparaîtra qu'après avoir été validée par un administrateur du site.

Qui êtes-vous ?
Votre message
  • Pour créer des paragraphes, laissez simplement des lignes vides.


Design et réalisation: VizEcho Media Copyright © Ino Vaovao.COM SA - octobre 2009 . Reproduction interdite - Tous droits reservés